FMF : Niatrika fivoriana ho fiomanana ny asa ho avy

Niantrika fivoriana maika ireo mpikambana amin’ny komity Hamehana ao amin’ny Federasiona  Malagasy ny Baolina kitra ( FMF ) ny Zoma 28 Aogositra 2020 teny Isoraka. Nentina nandinihana ny raharaha anatiny ny federasiona sy ireo asa maika. Na dia teo aza ny mbola ady amin’ny valana’aretina covid-19 dia tsy nitsahatra niasa ihany ny FMF ka izay no antony nisian’izao fivoriana izao. Efa natsidika sahady ny mety ho fiomanana amin’ny fandraisantsika ny andro faha telo sy faha efatra ny fifanitsanana eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika izay ho tontosaina any Kamerona ny taona 2022. Ho an’ny  Barea dia ny 9 Novambra 2020 no lalao mandroso any Abidjan ary ny 17 Novambra 2020 ny lalao miverina eto Madagasikara araka ny fampitam-baovao nataon’ny Sekretera Jeneraly ny FMF, Ranja Mahatovo. Ny momban’ny  hisian’ny lalao ara-pirahalahiana ho tontosain’ny Barea  ny volana Oktobre izao dia nanambara hatrany ny Sekretera Jeneraly ny FMF fa dia efa mandeha ny fifampiresahana momba  izany ka ho fantatra tsy ho ela. Nanambara koa izy fa any amin’ny kianja ny Barikadimy, Toamasina  no handray ny lalao miverina eo amin’ny Barea sy ny Elefanta raha tsy misy ny fiovana. Eo amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny sehatra Afrikanina eo amin’ireo isan-tarika kosa dia mbola tsy nisy resaka tapaka. Mbola miandry ny fivorian’ny komity mpanatanteraka ny Federasiona handinika akaiky ny momba izay. Fantatra ihany koa fa tsy misy  tarika tompon-daka eto Madagasikara tamin’ity taona ity noho ny ady amin’ny valan’aretina covid 19 ka nitarika ny fampijanonana ny fiadiana ny ho tompon-daka sy tompon’ny amboaran’ i Madagasikara. Ny CAF anefa dia miantso ny  hanolorana anarana ny kilioba hiatrika izany hatrany na dia eo aza io olana io. Efa  nisy  ny vinavinan’ny FMF hanendry ireo kilioba hiatrika izany saingy mbola misy dingana harahina. Manana hatramin’ny farany volana Oktobra hanendrena izany ny Federasiona rehetra raha ny nambaran’ny CAF.

Rédaction