FJKM: “Sambany teo amin’ny tantaran’ny fiangonana ny fanolorana andraikitra”.

Fotoam-dehibe ho an’ny FJKM ny fanolorana andraikitra an’ny Filoha sy ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny birao hisahana ny raharahan’ny fiangonana. Ho tontosaina amin’ny ny alahady faha-25 ny volana septambra ao amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina izany fivoriam-bavaka izany.

“Sambany teo amin’ny tantaran’ny fiangonana FJKM izao fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny andraikitry ny Filoha sy ny mpikambana ao anatin’ny birao vaovao izao”, hoy ny Mpitandrina William NIRINARISON.

Manasa ny mpianakavin’ny  finoana rehetra hanatrika  io fotoan-dehibe io izay manomboka amin’ny 02 ora sy sasany.