FILOHAN’NY ASIEF: Fitaovana entina iadiana amin’ny COVID-19 ny fanatanjahantena

Manamafy ny hery fiarovana. Mikatona avokoa ireo foto-drafitrasa fanaovana fanatanjahantena rehetra noho ny krizy ara-pahasalamana. Noho izany, miantso ny mpiasam-panjakana rehetra hanao fanatanjahantena ao an-trano ny filohan’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), Andrianarison Jean Aimé Botosera na John Love. « Araka ny fifampiresahana fa ny fanaovana sport dia anisany fanafody tsy vidiam-bola. Tsy mitovy ny mipetraka an-trano tsy misy zavatra atao sy ny mampihetsi-batana”, hoy izy. Nambarany fa “fitaovana entina iadiana amin’ny valan’aretina ihany koa ny fanaovana fanatanjahantena satria manamafy ny hery fiarovana. Ny stress mihena satria miaraka amin’ny ao an-tokantrano no manao izany sady mamporisika azy ireo hanao fanatanjahantena ihany koa”.

Ny 15 ka hatramin’ny 20 septambra 2020 no hanatanterahina ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana, ASIEF 2020. “Zava-misy tsy maintsy raketintsika any Mahajanga ny Championnat national fa arakaraky ny toe-draharaha no ahafahana manao an’izany. Hirariana hivaha ny olana ara-pahasalamana”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana. Na dia eo aza ny fiatrehana ny ady amin’ny COVID-19 dia mitohy ny fanomanana  ny ASIEF 2020. “Hatreto efa misy ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitra isaky ny ministera, efa mioman-komana any ny namana. Vao tapitra ny hamehana, tonga dia lasa isika fa ny zavatra mety hiseho, mety tsy ho tratra  intsony ny isam-paritra fa tonga dia nasionaly”, hoy i John Love.

Lynda A.