FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA ANALAMANGA: “Hiara-miasa amin’ny fitondrana foibe”.

Nivondrona ao anatin’ny fikambanana iray antsoina hoe AMRA na Fikambanan’ny Ben’ny Tanana Analamanga ireo Ben’ny Tanana  voafidy teto amin’ny faritra Analamanga. Na dia samy zarazarain’ny loko politika samihafa aza izy ireo, tsy nahasakana ny fananganana ny rafitra izany. Ho fiarovana ny zo maha olona sy ireo tratry ny tsindry hazo lena no antom-pisian’ny AMRA”, hoy ny Filohan’ny fikambanana vaovao, Rigobert RAKOTOARISOA.

140 no fitambaran’ny Ben’ny Tanana mandrafitra an’Analamanga. 96 tamin’izy ireo no tonga nifidy ny mpikambana handrafitra ny birao, hitantana ny fikambanana manditra ny roa taona. Tamin’ny fifidianana ny filoha, 68 no vato azony satria tsy nisy mpifanandrina ny tenany.

Efa ela no nisy ny fikambanana fa natoritory dia izao nofohazina izao indray.  Milaza fa hiara-hiasa amin’ny fitondrana ankehitriny ity fikambanana ity.