FIKAMBANANA HAFARI: Tsy mitarika ny vahoaka hanakorontana fa mitaky kosa ny rariny.

Tsy mpitarika ny olona hidina eny andalambe hanakorotana ny filohan’ny fiarahamonim-pirenena HAFARI Atoa Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA fa mitaky kosa ny rariny. Nofoanana ny hetsika saika ataon’ity fikambanana ity rahampitso mahakasika ny fitakiana ny rariny amin’ireo  mpiasan’ny sampandraharan’ny fananan-tany. Ho fitsinjovana ny korontana mety hitranga manoloana toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny antony tsy hanatanterahina izany, hoy ny filohan’ny fikambanana. Misy fiatraikany amin’ny vahoaka mantsy ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny sampandraharan’ny fananan-tany ka izany indrindra no takian’ny HAFARI Malagasy. Famindram-po no angatahan’ity farany fa tsy korontana. Tokony ny lalana aloha no apetraka vao omena ny tanim-panjakana,hoy hatrany Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA.

Lynda A.