FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023: Ratsirahonana Lalaina Harilanto, kandidà hampihavana sy hampiadana ny Malagasy amin’ny lafiny rehetra

“Malagasy miadana, sambatra sy mihavana” no vinan’ny kandida natolotrin’ny Antoko Fihavanantsika amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Niantefa tany amin’ny Ratsirahonana Lalaina Harilanto ny safidin’ny Antoko noho izy olon’Andriamanitra sy mendrika hitondra ny firenena ary mitovy  amin’ny vinan’ny antoko ny tanjona tiany hotratrarina. Filohan’ny Fikambanana “An’i Kristy” i Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Ny 14 Aogositra 2023 teny amin’ny “Le Pavé” Antaninarenina  no nanoloran’ny antoko azy fa kandidà amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny 09 novambra 2023. “Ny fanarenana ny Firenena izay ao anatin’ny fahasaharinana sy fahantrana  lalina vokatry ny krizy ara-tsosialy sy politika nifanesy, niainan’ny vahoaka Malagasy nandritra ny 63 taona, ao anatin’ny fahendrena sy ny fahamarinana ary fatahorana an’Andriamanitra no tanjona ijoroan’ny antoko Fihavanantsika amin’ity fifidianana Filoham-pirenena 2023 ity. Ary izany indrindra no antony nisafidianan’ny antoko an’Andriamatoa Ratsirahonana Lalaina Harilanto ho kandidany”, hoy ny Profesora Rakotonirina Solonjatovo Emmanuel, Sekretera Jeneralin’ny antoko, nandritra ny lahateniny. Nampatsiahy izy fa feno 21 taona no nitsanganan’ny antoko politika Fihavanantsika.

Tanjona telo no ho tanterahan’ny antoko miaraka amin’ny kandida raha tonga eo amin’ny fitondrana:  “Malagasy mihavana amin’Andriamanitra,  amin’ny samy malagasy, amin’ny zavaboahary”. “Fotoana  hiverenana sy hitodihan’ny firenena Malagasy amin’Andriamanitra izao, araka ny voalaza sy voafaritra ao anatin’ny savaranon’andon’ny Lalàm-panorenana hoe: Ny vahoaka Malagasy masi-mandidy, mametraka ny finoany amin’Andriamanitra Andriananahary. Raha sitrapon’Andriamanitra dia ho fanjakana matahotra an’Andriamanitra no hajoro izay manana andraikitra telo lehibe ho fampandrosoana sy ho fanarenana ny firenena. Anisan’izany ny fampanjakana ny rariny sy ny fahamarinana amin’ny lafiny rehetra; hahatonga ny Malagasy hiadana sy ho sambatra           amin’ny lafiny rehetra, ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana”, hoy i Ratsirahonana Lalaina Harilanto. Ho vaindohan-draharaha ny fanjakana tantaniny ihany koa ny  fitsinjaram-pahefana amin’ny lafiny rehetra mba hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fitsarana marina, hisitrahan’ny rehetra fitsaboana, fanamboarana lalana, fikajiana ny tontolo iainana, famoronana asa ho an’ny tanora, fampandrosoana mitovy isam-paritra. Ho  tanterahana ao anatin’ny fanjakana tsara tantana, tany tan-dalàna mandeha amin’ny  fahamarinan’Andriamanitra ireo voalaza rehetra ireo, araka ny fanazavany.  Marihina fa zanaka faralahin’i Ratsirahonana Norbert Lala ity kandida ity ary nahazo tsodrano tamin-drainy.

Lynda A.