Fifaninana fanadiovana fokontany : Anjanahary II S no nandrombaka ny amboara.

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny talata 30 jona teny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ny fifaninana fanadiovana fokontany ho an’ny boriboritany fahadimy. Fifaninana karakarain’ny kaomina Antananarivo renivohitra hanatsarana sy hanadiovana ny tanan’Antananarivo no tanjona amin’izany. “Miainga eny ifotony ny fahadiovan’ny Tanana”, hoy ny filohan’ny Delegasiona manokana ny Tanan’Antananarivo renivohitra, Ramiaramanana Joseph. Rehefa madio ny fokontany dia hipaka any amin’ny kaomina izany, hoy izy.

Fokontany 27 no nandray anjara tamin’ny fifaninana teny amin’ny boriboritany fahadimyniaraka tamin’ny rafitra RF2. Nizara roa ny fitsarana ny fifaninana ka ny fokontany Anjanahary II S no nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo fokontany efa matanjaka. Solosaina iray sy lelavola 100.000 Ariary avy amin’ny kaomina no fanomezana azon’ity fokontany. Notolarana an’io lelavola io ihany ny laharana faharoa sy fahatelo. Ny fokontany Andraisoro, Ambohidahy ary Amboniloha kosa ny nandrobaka ny telo voalohany tamin’ireo fokontany marefo. Samy nomena fitaovam-panadiovana avokoa ireo mpandray anjara.

Fanovana ny toe-tsaina ho tia fahadiovana no tokony hananan’ny tsirairay, hoy ny “délegue” ny boroboritany fahadimy, Rasolomanantsoa Adolphe. Raha tiana hadio lalandava ny Tanana dia mila mamboly izany toe-tsaina izany. Nambarany ihany koa fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny mponina no antoky ny fahadiovan’ny Tanana.

Na dia nifarana azan y fifaninana fandiovana fokontany eny amin’ity faritra ity, mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny fokontany tsirairay.

Marihina fa manerana ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra dia misy an’ity fifaninana ity avokoa ka fokontany 192 no mpandray anjara.

Lynda A.