Fiangonana Shine: Fotoam-bavaka hitondra fanafahana.

 

Bishop Patrick RANDRIANARIVO

« Manana iraka hanafaka ny olona amin’ny fampahorian’ny aizina sy hanangana azy ho amin’ny vononahitra amin’ny alalan’ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra ny mpitarika ny fiangonana Shine », hoy Bishop Patrick RANDRIANARIVO. Manoloana izany, natokan’izy ireo  ho « andron’ny fanafahana » ny alahady 10 Mey 2015 ho avy izao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahan-tena sy kolontsaina Mahamasina no hanatanterahana izany.  » Handravana ny asan’ny devoly sy hanafahana ny olona amin’ny zavatra rehetra mampahory io fotoana io », hoy hatrany izy . Ankoatra izany, andro hitondrana am-bavaka ny firenena ho amin’ny fiovam-po, ihany koa, ity hetsika ity. Marihina fa hisy vahiny avy any Australia hanatrika izany, Pastora Bill Wase Lalas. Araka  fanaon’ny fiangonana dia hisy fiara hitatitra manerana ny Tananan’Antananarivo izay amin’ny sarany 200 Ariary na mandroso na miverina. Araka ny fanazavana azo hatrany, hetsika fanombohana ihany ity eto Antananarivo ity fa hotanterahina manerana an’i Madagasikara mandritra ity  taona ity ny  » vavaka fanafahana ».  Ny 14 Mey ho avy izao no fotoana manaraka amin’izany ka any Toamasina ny toerana.

Lynda A.