FIA 2025: Sehatra hihainoina ny hevitra sy ny filàn’ireo tantsaha mpamokatra sy mpiompy ary ny sehatra tsy miankina

Tontosaina nanomboka ny 4 ka hatramin’ny 7 septambra 2025, eny amin’ny CCI Ivato ny Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (FIA), andiany fahafito. Natambatra tamin’ity hetsika  ihany koa ny Festival International de la Gastronomie (FIG), andiany voalohany. Hita eny an-toerana avokoa ny rojo-pihariana momba ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono : manomboka any amin’ny famokarana ka hatrany amin’ny fanodinana azy ho lasa sakafo. Mitsinjara amin’ny  trano eva miisa 350.

Mandray anjara amin’izany ireo tantsaha  mpamboly, mpiompy,  ireo mpisehatra amin’ny jono, ny fanodinana  ireo vokatra avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono,  ireo tetikasa sy sehatry ny fikarohana mampiroborobo ny tontolo ambanivohitra. Mampiavaka ny FIA 2025 ny fandraisan’anjara ireo tanora tompona tetikasa amin’ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Manome aina  FIA sy FIG ny fampisehoana ny fahaiza-manao amin’ny fandrahoan-tsakafo ataon’ireo manam-pahaizana momba izany.  Misy ny fanandramana ireo sakafo vitan’ireo « chef cuisinier ». Lohahevitra vohizina mandriatra ny FIA ny « fambolena manavao sy maharitra ho an’ny fampandrosoana lovainjafy ».

 «Ireto hetsika roa lehibe ireto dia sehatra manome lanja ny fahaiza-manao eto Madagasikara,  mampahafantatra ireo orinasa sy ny  fanavaozana efa misy sy ny mbola ho avy  amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, mampahafantatra ny rojo-pihariana  rehetra amin’ny famokarana. Chef cuisinie maro no hanandratra ny fahaiza-manao malagasy amin’ny fandrahoan-tsakafo miaraka amin’ny vokatry fambolena eto Madagasikara », hoy Ranaivo Rajaonarisoa Oranne, Tale Jeneralin’ny (DGA) ny Mada Vision, mpikarakara ny hetsika.

Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny ministeran’ny jono sy ny toekarena manga ny FIA. “Tsy  hetsika tsotra ihany ity hetsika ity fa fototra mampifandray   ny mpisehatra rehetra, mampifandray ny fahaiza-manao, manome sehatra ho an’ny rehetra mampiroborobo ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono eto Madagasikara. Fotoana ahafahana mifankalo hevitra, mampifandray ny mampokatra sy  ny mpividy”, hoy i Hajaharison François Sergio, ministry ny fambolena nandritra ny lahateny tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIA 2025.

Nambarany fa mampiavaka ity foara ity ny fihaonany mivantana amin’ireo solontenan’ny mpamokatra manerana ny faritra  hihainoana ny hevitra sy ny filàn’izy ireo mba ahafahana mijery paikady sy fanohanana azy iroe ho lasa matihanina. « Afaka mifanerasera amintsika rehetra ny Ministry ny fambolena ary manome toky fa  hihaino ny filàna sy  ny hevitra, hamporisika ary hanampy raha ilaina izany”, hoy izy. Hihaona main’ireo sehatra tsy miankina ihany koa izy amin’ny fampiroboroboana ny “agribusiness” eto Madagasikara. Nanamafy izy fa hanasogadinana ny ezaka efa vita sy ny fanamby mbola miandry, ny fanavaozana  ny fambolena sy ny fiompaina ary ny jono ny Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (FIA).

Lynda A.