FETIM-PIRENENA MALAGASY : Nizara vatsy ho an’ireo fianakaviana sahirana teny andalambe ny AIFM Madagasikara

Nanatona ireo ankizy sahirana sy fianakaviana sahirana teny andalambe ny AIFM (Alliance Internationale des femmes de France et de Madagascar), sampana Madagasikara ny sabotsy 23 jona 2023. Teny amin’ny lalana mampitohy an’ Ivandry  sy Alarobia ireo mpikambana no nizara vatsy ho an’ireo olona sahirana, mangataka sy/na monina eny amin’iny faritra iny. Sakafo mafana(vary sy laoka), biscuit, savony, vovontsavony ary akanjo no natolotrin’ny fikambanana tamin’izany.

 Ankizy sy lehibe 50 mahery no nisitraka ny fanampiana.

Tafiditra ao anatin’ny  ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ity hetsika nataon’ny  fikambanam-behivavy ity. Ny fanomezana avy amin’ny mpikambana tsirairay no natambatra ka nahafahana nizara hafaliana ho an’ny hafa. Nanampy tamin’ny fanatanterahana hetsika 26 jona ihany koa ny AIFM any Frantsa, izay tarihin’i Francine Ranaivo sady Filoha mpanorina ny fikambanana. Nanamafy i Rasendralalao Hantanoro,  Filohan’ny AIFM eto Madagasikara fa hitohy ny fanampiana ny mpiara-belona. Nambarany fa mikarakara famelabelaran-kevitra miompana amin’ny firongatry ny zavamahadomelina ny fikambanana, ny 12 jolay 2023. Hizara ny tokony ho fantatra momba izany ireo mpitsabo miara-miasa amin’ny fikambanana. Manasa ireo mpianatra hanala fanadinana bakalorea ihany koa ny AIFM ho avy amin’io fotoana io fa hisy ny fifanampiana ho azy ireo momba ny taranja Malagasy.

Lynda A.