FARITRA ITASY: Manomboka tsy misy ny landibe

Efa miha ringana tsikelikely ny ala tapia ao amin’ny faritra Itasy. Tsindry voalohany maha ringana azy ny doro ala. Miditra antsokosoko anaty ala haka hazo hanaovana kitay sy saribao ihany koa ny olona. Toerana voanjanahary ipetrahan’ny landibe anefa ny ala tapia. Nanomboka tsy nisy ny landibe ny taona 2021 vokatr’io faharinganan’ny ala io, araka ny fanazavan’i Andrianarison Herilaza Thierry, Lehiben’ny tetikasa TAPIA. “Anisan’ny niha ringana niaraka tamin’ny ala tapia ny landibe satria ringana ny toerana honenany. Alain’ny olona ihany koa ny zana-dandy satria manankarena proteina.  Vavy ilay ngeza alainy zareo ireny  ka rehefa alaina dia tapaka hatreo ny tsingerim-piainany”, hoy izy nanazava ny antony hafa tsy mampisy ny landibe ao Itasy. Ho famerenena amin’ny laoniny  ny ala tapia sy ny landibe no antom-pisian’ny tetikasa TAPIA na  Tantsoroka ara-pamokarana Iarovana ny ala tapia.

Fambolena zanaka tapia

Misahana ny tetikasa TAPIA ny Planète Urgence. Sahan’asa iray ao anatin’ny tetikasa ny fanarenana ny ala tapia. Velarantany misy ala tapia mirefy 50 ha no hanaovana fanarenana ka hambolena zanaka tapia. “Tsy mamorona toerana vaovao hambolena tapia  izahay fa izay toerana misy tapia no sosohana zanaka tapia”, hoy i Andrianarison Herilaza Thierry, nandritra ny fitsidihana ny ala tapia natao fanarenana, ao Ambohimitarona Miarinarivo, ny 28 martsa 2024. Tao anatin’ny fandaharam-potoana nandritra ny andro natokana ho an’ny “agroécologie” tao amin’ny faritra Itasy, ny 27 sy 28 martsa 2024, nokarakarain’ny GSDM sy notohanan’ny tetikasa ALEFA Agrocéologie sy ny GIZ no nanaovana io fitsidihana io. Vondron’olona Ifotony (VOI) miisa 43 no miara-miasa amin’ny tetikasa TAPIA. Samy manao fanosohana zanaka tapia 2500 isan-taona ny VOI tsirairay. Mahazo fiofanana momba ny fitantanana ny ala ihany koa ireo VOI ireo.

Manampy ny tantsaha

Nambaran’ny lehiben’ny tetikasa fa tsy maintsy nojerena ny lafiny ny maha olona satria ny olona no manimba ny ala. Tantsaha 584 no mahazo tohana avy amin’ny tetikasa ho fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo, toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, fambolena vary an-tanety, fambolena hazo ampisaina atao kitay, fanomezana fiofanana momba ny “agroécologie” na fambolena maharitra. Ankoatra izany, nametraka Manananiria toerana hamokarana  landy sy atodin-dandy ao Arivonimamo ny tetikasa mba hamerenana amin’ny laonin’ny landibe. Afindra any anaty ala tapia ireo atody avy eo. Nohidiana anaty “case” ireo atody  mandra-pahalehibeny mba hiarovana azy  amin’ireo biby mpihinana, toy ny famakiloha. Ireo VOI no mametraka azy anaty ala sy manaramaso ny fitomboany, nanomboka ny taona 2021. Efa manomboka miverina tsikelikely ny landy ny taona 2023. “Efa misy mivarotra zanadandy  eny an-tsena nefa tsy tokony mbola atao satria very maina ny asa ataon’ny tetikasa”, hoy ny Lehiben’ny tetikasa TAPIA. Nilaza izy fa efa nifampiresaka tamin’ny ministry ny tontolo iainana ny tetikasa fa misy didim-pitondrana novolavolaina ho an’ny faritra ho fandraràna ny fakàna tranondandy (cocon) aloha.

Lynda A.