FANONDRANANA “LITCHIS”: Mandeha ny famenoana ny sambo faharoa

Efa firenena maromaro no mitady ny “litchis” avy eto Madagasikara ankoatra an’i Eraopa. Ho an’ny faritra Analanjirofo, tsara ny vokatra na dia tara aza vao namelana ny “litchis” tamin’ity taom-piotazana 2018 ity, araka ny fanambaran’ny lehiben’ny faritra, Jacques Ramaroson. Noho ny fahampian’ny hafanana nifandimby tamin’ny orana dia nifanaraka tamin’ny refy takian’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra litchis tao Analajirofo.

Nanomboka ny talata 27 novambra 2018 teo ny famenoana ny sambo faharoa. Faritra roa no nameno ny sambo voalohany ka anisan’izany i Analanjirofo. Raha ny tombana nataon’ny lehiben’ny faritra, Jacques Ramaroson dia 3000 ka hatramin’ny 5000 taonina ny vokatra notaterina avy any Analanjirofo.  Eo anelanelan’ny 1200 ariary ka hatramin’ny 1600 ariary no hivarotana ny vokatra eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy nahitana fiakarana ny vidim-piainana tao amin’ny faritra Analanjirofo tao anatin’izao fotoam-piotazana “litchis” izay, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra hatrany.

Lynda A.