Fankalazana ny fahaleovantena : Takarivam-piderana miaraka amin’i TGC, Jocelyn Ranjaharison, Joseph d’Af.

Afaka maneho ny hafaliany ihany koa ny kristiana amin’izao fankalazana ny faha-55 taona nahazoana ny fahaleovan-tena izao, hoy ny Mpitandrina ny fiangonana Shine, Patrick Andrianarivo. Hisy ny hetsika lehibe karakarain’ny fiangonana ny asabotsy 27 jona amin’ny 03 ora. Ao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina no anatanterahana izany. Takarivam-piderana no nampisalorana ity fety ity. Mpanakanto manana ny toerany eo amin’ny hira evanjelika, toy ny tarika TGC, Jocelyn Ranjaharison, Joseph d’Af, ny tanoran’ny fiangonana MRE ary tanora avy ao amin’ny Shine no hanafana ny lanonana. Marihina fa amin’ny 01 ora dia efa hivoha vavahady ary tsy misy ny vidim-pidirana.

Ny alahady 28 jona indray, hisy fotoam-bavaka lehibe hanasana ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ihany ny toerana. Hampahafantarina ny Malagasy fa « hain’Andriamanitra atao ny zavatra » no tanjon’ity hetsika ity. «  Afaka mamaha ny olanao rehetra Andriamanitra », araka ny fanazavan’ny mpitandrina.

Amin’ny 08 sy sasany, 10 ora sy sasany ary amin’ny 02 ora sy sasany ny fidirana. Araka ny efa mahazatra, hisy fiara hitatitra manerana an’Antananarivo renivohitra amin’ny fandraisana anjara 200 Ariary.

Lynda A.