Fankalazana ny 8 martsa: Vehivavy marefo 400 ao Ivato nahazo vatsy

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ankalazaina ny 8 martsa, vehivavy marefo miisa 400 ao amin’ny kaominina Ivato no nahazo vatsy. Notanterahina ny 7 martsa 2026 teny amin’ny tranom-pokonolona Ankadindravola ny hetsika.

Ny Destiny Ivato no nikarakara izany hetsika ara-tsosialy izany. Vatsy ahitana vary, menaka, savony, sira ary labozia no nozaraina ho fanohanana ireo vehivavy marefo, zokiolona ary ireo reny manana zanaka tratry ny fahasembanana ao amin’ny kaominina.

Nanohana ny hetsika ireo vadin’ny mpanolontsaina avon’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fanomezana vary amin’ny taonina. Nanampy ihany koa ny Faritra Analamanga tamin’ny fanomezana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Vehivavy maro mila tohana

Araka ny fanazavan’i Randrianarisoa Hoby, filoha mpanorina ny fikambanana Destiny Ivato, maro ireo vehivavy ao Ivato no maniry handray andraikitra saingy voasakana noho ny fahasahiranana.

“Manana ny lanjany ny vehivavy. Betsaka ny vehivavy te hihetsika fa tsy afa-manoatra noho ny tsy fahampiana. Misy ny tsy ampy sakafo, misy koa ny tsy afaka mampianatra ny zanany. Ny tanjonay dia ny hanosika sy hanohana azy ireo,” hoy izy.

Nambarany fa mitady fiarahamiasa ny fikambanana amin’ny fanohanana ireo zaza tsy mianatra sy ireo zaza sembana ao amin’ny kaominina.

Feno 10 taona amin’ny 2026 ny asa sosialy ataon’ny fikambanana Destiny Ivato ao Ivato.

Vehivavy, hery ho an’ny fanavaozana

“Vehivavy, hery ho an’ny fanavaozana ny firenena” no teny filamatra amin’ny fankalazana ny 8 martsa eto Madagasikara amin’ity taona ity.

Nanotrona ny hetsika fanamarihana ny 8 martsa nataon’ny fikambanana Destiny Ivato ireo vadin’ny mpanolontsaina avon’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanentana ireo vehivavy haneho ny heriny sy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo.

 “Isika vehivavy dia hery manokana ho fampandrosoana ny firenena. Asehoy ny hery anatintsika tsirairay fa raha izany no hiarahantsika mientana dia ho tanteraka  ny fanavaozana sy fampandrosoana ny firenena”, hoy ny solontenan’izy ireo nandritra ny fandraisam-pitenenana.

Nanamafy ihany koa i Raharinirina Clémence, lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, fa hery lehibe amin’ny fanatrarana ny fanavaozana ny vehivavy. Ao anatin’ny asan’ny faritra rahateo ny fanohanana ireo tantsaha, mpamboly ary fikambanam-behivavy.

Lynda A.