FANANANTANY: Nanantena vahaolana ireo tantsaha sy fokonolona taorian’ny fikaonandoham-pirenena kanefa tsy mbola misy izany hatramin’izao

Velon-taraina ireo fokonolona sy tantsaha ao Mampikony, Soavinandrinaa, Moramanga nanajary  ireo tany mbola misoratra amin’ny mpanjanatany taloha (colon). Niakatra teto Antananarivo mihitsy ireo solontenan’izy ireo ny 9 desambra 2022.

Ramilijaona Pierre Marcel, solontenan’ny mponina ao Soavinandriana

Voatery niala tanteraka tamin’ny tany ireo tantsaha nampiasa ny tany mirefy 569 hektara ao Soavinandriana. Katsaka no nambolen’izy ireo ny tany tamin’izany. Nisoratra tamin’ny “colon” ny tany taloha ary nanajary izany ireo fokonolona nanomboka ny taona 1970. Nisy nahazo titra anefa ny tany ny taona 1990 ary nanambara izany tamin’ny mponina. Nanomboka ny ady teo amin’ny tompon-tany sy mpanajary ny taona 2016. Niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny samy mpampiasa ny tany izany satria niandany tamin’ilay tompony ny sasany. Tonga hatrany amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’i Ramilijaona Pierre Marcel, solontenan’ireo tantsaha mifandrina amin’ny tompon-tany izany ny volana desambra 2019. “Tany am-ponja ny tenako no nanao ety krismasy sy taom-baovao. Mafy izany tsy eo anilan’ny vady aman-janaka izany”, hoy izy. Iray volana i Pierre Marcel no tany am-ponja ary afaka madiodio taorian’ny fitsarana azy.

Fampanatenain’ny Filoha Rajoelina

Andriambola Jean José, solontenan’ny mponina ao Marovitsika

Niharan’ny fifanenjehana sy fisamborana ihany koa ny mponina ao Marovitsika Moramanga. Tany nisoratra tamin’ny “colon” no nampiasain’izy ireo.  Mirefy 4528 hektara io tany io ary taloha  raha namboly teo ny fokonolona dia tsy nisy nanelingelina.  Ankehitriny, mitaraina ireo mponina nanajary ny tany fa misy olona milaza ho mpandova an’ireo vazaha. “Mangataka hofan-tany amin’ireo mponina ireto mpitantana vaovao ireto. Vary no nambolen’ny mponina teo . Mangataka 10.000 Ariay isaky ny vata ireo tompon-tany. Tsy nanaiky ny fokonolona dia nitory anay ry zareo ary niakatra tribonaly ny raharaha. Nolazainy fa nitarika vahoaka hikomy izahay. Nivoaka ny didy ary voasazy efa-bolana an-tranomaizana, anisan’izany ny tenako. Nampiakatra ny raharaha moa izahay […] Efa 4 taona izay no tsy namboly teo intsony izahay. Ny zaza tsy afaka mianatra intsony”, Andriambola Jean José, solontenan’ny mponina ao Marovitsika. Nanatrika ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fananantany, ny volan jona 2022 ireto tantsaha ireto ary nanantena vahaolana saingy tsy mbola nisy izany. Ny fanatanterahana ny fehin-kevitra navoakan’ny firenena mikambana laharana 1514, nivoaka 14 desambra 1960 no angatahan’izy ireo.  “Fampitsaharana aingana ny endrika fanjanahantany “ no voalaza ao. “Tokony miverina amin’ny Malagasy ny tany nalain’ny mpanjanaka ary omena nanajary ny tany”, hoy ireo tantsaha. Niditra ho mpikambana ao amin’ny firenena mikambana (ONU) i Madagasikara taoriana kely ny fanambarana ny maha firenena mahaleo tena azy.  Nilaza Raparison Eric, Mpandrindra nasionalin’ny Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF) fa “mila tohizana ny fifampiresahana hamahana tanteraka ny olan’ny fananantany fa tsy tokony hijanona tamin’iny fikaonandoham-pirenena iny ihany”.  Ny Malagasy hitombo isa kanefa ny tany tsy hitombo velively ka ny fandrindrana ny fitsinjirana ny tany no tokony imasoana hoy izy  mba ahafahan’ny rehetra misitraka tany, araka efa nampanantenain’ny Prezidan’ny Repoblika Rajoelina Andry.

Lynda A.