FANAMBOARANA VOVON-DRANO : Miantso ireo malala-tanana ny « La Charité de Madagascar »

Fanampiana ireo sahirana amin’ny fahazoana rano. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny “La Charité de Madagascar” ny fanamboarana vovon-drano amin’ireo toerana tsy mbola misy izany.  Anisany nisitraka izany ny EPP Tsarahonena Anosiala sy ny sekoly FJKM Ambohidratrimo. “Marobe ireo toerana tsy misy rano na sahirana ny mponina vao mahita rano ampiasaina. izany indrindra no antony nanaovana ity fandaharan’asa ity ho fanampiana azy ireo”, hoy ny filohan’ny fikambanana  La Charité Madagascar, Zouber Assenjee.  Maro ireo mpiara-miasa amin’ny fikambanana ka anisan’izany i Nazaraly Yakataly, monina eto Madagasikara. “Isaorana manokana izy tamin’ny tolo-tanana nataony. Misaotra azy fa tsy nanavaka antokom-pivavahana izy ary mampahery azy hatrany amin’ny fanohanana ireo zaza kamboty sy sahirana”, hoy hatrany Zouber Assenjee.

Mbola maro ireo vovon-drano ho ataon’ny “La Charité Madagascar” ka miantso ireo malala-tanana hanampy ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ny asa. “Ho an’ireo vonona dia afaka miantso ny laharana 034 74 045 30”.

Lynda A.