Fampihavanam-pirenena: Mitaky fiovam-po tanteraka.

Mitohy amin’izao fotoana izao ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ny FFKM. Efa fotoana maro izay no lany, mety ilamina ihany ve ity firenena ity? Fanontaniana manitikitika ny sain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao izany. Tsikaritra mantsy fa tsy mbola nisy fiovana mihitsy teto amin’ny firenena, toa vao maika aza miha mitotongana ny fiainan’ny Malagasy. Fa inona marina ny atao hoe fampihavanam-pirenena e? Tsapa fa toa mihavana miaro tombontsoa no fampihavanana an’izy dimy mirahalahy. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny ilain’iray dia miala an-daharana.misy ny fifandirana.
Araka ny nambaran’ny Pasiteran’ny fiangonana Vahao ny Oloko…., tsy hisy mihitsy ny fampihavanana raha tsy manana fiovam-po tanteraka ireo voakasika izany. Mandefitra, mahay manetry teny ny olona lazaina hoe mpivavaka,hoy hatrany izy. Mahay mihavana na tsy misy tombontsoa aza. Izany indrindra no tokony toetra hisaloran’ireo filoha dimy voalohany indrindra. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpitondra fivavahana. Amin’ny alalan’ny toriteny ataon’izy ireo no hamolavolana azy ireo ho tonga kristiana marina, araka ny nambaran’i Pasitera Heritiana . « Ny lalana ny fampihavanana mantsy dia mitaky olona tena ao amin’Andriamanitra » hoy ity farany. Tsy vita vetivety izany fa mila fotoana maro ary mitaky fahavononan’ny mpitondra, ny  ratsa-mangaika rehetra, ny mpanao politika ary ny vahoaka.

Lynda A.