FAHASALAMAM-BAHOAKA: Misoroka ny aretina avy amin’ny sakafo ny fanarahana ny fenitra.

 Ho tanterahina  amin’ny  zoma 17 sy sabotsy  18 novambra 2017 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina  ny  fanamarihana ny fankalazana  ny androm-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny  antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo.  Hampahafantatra ny vahoaka ny lalana, ny fitsipika, ny fomba amam-panao manomboka eo amin’ny  famokarana, ny fitaterana, ny fitehirizana, ny famarotana ary ny famatsiana ny sakafo  ireo mpandray anjara.

Ankoatra ny fivarotana karazan- tsakafo manaraka ireo fenitra ireo, hisy ny fitsirihana maimaimpoana   ireo aretina azoavy amin’ny sakafo toy ny hatavezana, fiakaran’ny tosi-dra ary ny diabeta mandritra ny roa andro. Eo ihany koa ny fanentanana  ho an’ny fanajana ny fahadiovana eo amin’ny fikirakirana ny sakafo.

Fisorohana ny fahapoizinana  ara-tsakafo

Miantoka ny sakafo ara-pahasalamana ny kalitaony. Misoroka ny fahapoizinana  ara-tsakafo rahateo izany. Araka ny fanazavan’ny Tale misahana ny  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA ho fanamafisana ny fisorohana ny aretina azo avy amin’ny sakafo no tanjona ity hetsika andiany faharoa ity.

Tsy misy ny vidim-pidirana.