“ENQUÊTEURS” MANONTANY NY SAFIDINY NY MPIFIDY: Tsy nahazo alalana avy any amin’ny CENI

Misy mpanao fanadihadiana manontany ny safidiny ny mpifidy mivoaka avy ao amin’ny birao fandatsaham-bato. Mandidy avy hatrany ireo fikambanana avy any ivelany sy eto an-toerana ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) mba  hanatsahatra ny fanadihadiana  (sondage)ataon’izy ireo. Nangataka fahazoan-dalana tany amin’ny CENI ireo fikambanana ireo  fa tsy nahazo. Araka fanazavan’ny mpampaka tenin’ny CENI, fano Rakotondrazaka fa efa nihaona tamin’ny solontenan’ny CENI izy ireo saingy tsy nahazo alalana mihitsy.  600 eo ny isan’ireo mpanao fanadihadiana miparitaka eny  biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara. Raha ny hita teny amin’ny biraom-pifidianana EPP Andranonahoatra Itaosy tamin’ny 8 ora maraina dia nanontany ny kandida nofidian’ireo mpifidy avy ao amin’ny biraom-pifidianana ireo mpanao fanadihadiana. Avy amin’ny “agence d’information”  Safidiko Madagasikara – Exit Poll  izy ireo.

 Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ny iray tamin’izy ireo dia nilaza fa nahazo alalana avy any amin’ny CENI ka nampiseho  taratasy. Voalaza ao anatin’ny taratasy fa manome alalana hanao “sondage”  ny CENI. Misy anaran’ny filohan’ny CENI eny ambany ankavanana saingy  tsy misy soniany fa tombon-kase an’ny CENI  misy soratra “reçu par le secretariat” no hita eo amin’ny ankavia ambany. Nanamafy ny filohan’ny CENI, Herinirina Rakotomanana fa manana alalana hanara-maso ny fifidianana  ny Safidiko Madagasikara – Exit Poll   sy ny CIS-EMO saingy tsy mahazo manao “sondage d’opinion”. Noho izany, manentana ny filohan’ny biraom-pifidianana ny CENI hiteny ny solontenan’ireo mpanao fanadihadiana  hanatsahatra ny “sondage”. Raha mbola miziriziry izy ireo dia mila miantso ny mpitandro filaminana. Tsiambaratelo ny safidiny tsirairay ka mila mailo isika mba tsy hisian’ny korontana.