DINIKA HO FANAVOTAM-PIRENENA: Nahoana ny vahiny no mora mahazo tany?

Lasa tompony mangataka atiny ny vahoaka Malagasy amin’ny fitantanana ny tany sy ny harem-pirenena. Dingana maro ary aman-taonany mihitsy  raha Malagasy no mikarakara  taratasy. Nahoana kosa ny vahiny no mora mahazo tany eto Madagasikara sa manam-bola ve izy ireo? Fanontaniana nipetraka tao anatin’ny fivoriam-ben’ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena ny 06 sy ny 07 oktobra 2016 lasa teo izany. Amin’ny fomba ahoana no hamahana olan’ny fananan-tany ka hanamora ny fampiasan’ny  vahoaka ny taniny ankalalahana?

Ny dinika irery ihany no lalana tokana ahafahana mamaly izany. Noho izany, tsy maintsy hirosoana ny dinika ary hifandrimbonan’ny vondron-kery rehetra ny fikarohana vahaolana maharitra hampandrosoana ity firenena ity.

Tsy tokony ho herim-pamoretana  ny mpitandro filaminana na dia andraikiny aza ny miaro ny fitondrana.

Santionany ihany ireo voalaza ireo fa fehin-kevitra maro no nivoitra tamin’ny fivoriana.