DEVFEST ANTANANARIVO: Tombontsoa ho an’ny mpikirakira ny teknolojia

Tsy natao ho an’ireo matihanina momba ny « développement informatique » ihany DevFest na « Festival des développeurs ».  Nambaran’ny mpikarakara, Randrianomanana Rijaniaina avy amin’ny Google Developper Group (GDG) Antananarivo fa asaina ihany koa ireo tanora liana amin’ny asan’ny « développeur » sy ny tontolon’ny teknolojia ny DevFest. Mba ahafahan’ny rehetra manatrika ny hetsika dia ho tanterahina ny sabotsy 26 sy ny alahady 27 okobra 2019 eny amin’ny Nexta ao anatin’ny Zone Futura Andranomena ny andiany faharoa. Mizara telo ny sahan’asa ho hita mandritra ny roa andro, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra GDG, Razafinirina Tsilavina. Hahazo tombony ny mpitsidika satria lohahevitra 18 no ho resahana toy ny « intelligence artificielle », fanamboarana « jeux vidéos », fanamboarana « application mobile », « cloud computing », vaovao farany momba teknolojia… Hisy ihany koa ny atrikasa fampiofanana momba ny « programmation ». Hampiavaka ny DevFest Antananarivo ny fifaninanana « hackathon ». Ao anatin’ny 48 ora dia hikatroka hanamboatra “application” azo ampiharina eny anivon’ny fiarahamonina ireo mpifaninana.

Nohamafisin’ny mpikarakara fa fotoan-dehibe hihaonan’ireo “développeurs” sy orinasa matihanina amin’ny teknolojia fa indrindra  hanomezana lanja ity karazana asa ity ny hetsika tahaka izao. Hampahafantatra ny tolotr’asa misy ao aminy  ireo orinasa mpandray anjara.  Hisy avy hatrany ny adina arak’asa amin’io fotoana io ho an’izay vonona. Amin’ny maha hetsika noforon’ny Google ny DevFest dia tanàn-dehibe maro manerana an’izao tontolo izao no ahitana azy isan-taona. Ankoatra izany,

Lynda A.