COVID 19: Mpiasa 1000 mahery amin’ny sehatrin’ny lamba fitafy sy akanjo ary asa tanana nahazo fiofanana

Fanatsarana ny kalitaon’ny entana vokarina sy fidirana amin’ny sehatra matihanina.  «Fahadisoana kely fotsiny dia manimba zavatra be dia be», hoy i Rakotonirina  Naivoson, mpiasa ao amin’ny orinasa famoronana haingo amam-bika eto Madagasikara. Tao anatin’ireo mpiasa 1093, miasa eny anivon’ny orinasa afak’haba amin’ny sehatrin’ny lamba fitafy sy akanjo ary kojakoja nahazo fiofanana fanamafisana fahaiza-manao tamin’ny alalan’ny tetikasa  ho an’ny tombontsoam-pirenena (Projet d’Interêt National Prioritaire – INP) nandritra ny COVID- 19 izy. Nahazo fiofanana momba ny «Patronnier gradeur» i Naivoson na ireny miandraikitra ny famolavolana ny lasitra amin’ny fananganana akanjo ireny.  «Lasa mahay manangana  pataloha, akanjon’ankizy  aho», hoy izy nijoro vavolombelona tamin’ny tombontsoa azony tamin’ny tetikasa  PINP. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 14 aprily 2023 teny amin’ny Carlton Anosy ny tetikasa raha toka tamin’ny  aprily 2021 no natomboka. Ny Vondron’orinasa afak’haba (GEFP) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fanofanan arak’asa no niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra

 Ao anatin’ny paikady fanarenana ny orinasa afak’haba noho ny sedra nahazo azy nandritra hamehana ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19 ny INP. Mitentina 318.630.000 Ariary ny tetibidin’ny tetikasa. Mizara roa mpisitraka azy: ny mpiasa eny amin’ny orinasa afak’haba amin’ny sehatrin’ny lamba fitafy, akanjo ary kojakoja ny voalohany ary ireo mpanao asa tanana ny faharoa. Mpiasa avy amin’ny orinasa mpikambana ao amin’ny GEFP avy any Nosy Be, Antsirabe, Antananarivo ary Toamasina izy ireo. Ho fanamafisana  fahaiza-manaon’ny mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra ahondrana ary hampidirana ireo mpanao asa tanana  amin’ny sehatra matihanina sy ara-dalana  no tanjon’ny tetikasa, araka ny fanazavan-dRamatoa Razafimandimby Eva, Tale mpanatanterakin’ny GEFP.

Fiofanana isan-karazany

Fampiofanana mpiasa amin’ny lafiny ara-teknika toy ny « patronnier gradeur, agent de méthode, chef de chaîne » no natao.  Tsy adino ihany koa ny fanofanana ny delegen’ny mpiasa  momba ny lalànan’ny asa, ny fitsipika mifehy ny fiahiana ara-tsosialy,  ny fanajana ny fifanarahana  iraisan’ny orinasa, ny fandrindrana ny asa. Nisy tamin’ireo mpisitraka ihany koa nahazo fiofanana momba ny  teny anglisy, informatika. Ho an’ireo mpanao asa tanana mbola amin’ny sehatra tsy ara-dalàna kosa dia nofanina momba ny fandokoana ireo akora ilaina amin’ny fanaovana taozavatra  toy ny rofia, taretra amin’ny  alalan’ny loko natoraly toy ny hoditra tongolobe, tamotamo, dingadingana izy ireo. Nisy tamin’ireo mpisitraka nomena fiofanana mba ny fitsirihana ara-kalitao, « machiniste».  Fantatra fa efa misy tetikasa hafa indray iarahan’ny GEFP sy ny FMFP ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa malagasy, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FMFP, Ramaroson Jean Michel.

Lynda A.