COMITE DE NORMALISATION-TELMA : Hifanaraka sa hifampitso-drano ?

Hiezaka handravina ny manahirana eo amin’ny orinasa Telma ny « comité de normalisation pour la fédération malagasy de football » mba ahafahan’ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika am-pitoniana ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny lalao baolina kitra (CAN 2019), atao any Egypte . Nambaran’ny filohan’ny  « comité de normalisation » (CDN), Attalah Béatrice nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany 29 mey 2019, teny Isoraka fa ny federasiona no tomponandraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny baolina kitra malagasy, araka ny fifanarahana tamin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hatramin’izay. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia nijoro ny fikambanana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka (club des partenaires), ao anatin’izany ny Telma ho fanohanana ny Barea izay handray anjara amin’ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny lalao baolina kitra (CAN 2019), atao any Egypte. Manana ny kaontim-bolany manokana ity fikambanana ity.   Araka ny fanazavan’ny filohan’ny CDN dia tsy anjaran’ny mpiara-miombon’antoka no mandoa ny « primes ». Nilaza ihany koa izy fa endrika fanalam-baraka  no nataon’ny orinasa Telma tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny « club des partenaires », farany teo. Ho fantatra anio hariva na hifanaraka ny CDN sy ny Telma na hifampitso-drano satria hisy ny fihaonan’ny roa tonta.

Ankoatra izay dia nampahafantarina androany ireo mpiara-miombon’antoka vonona hanampy ny baolina kitra malagasy, ny federasiona fa indrindra ny ekipam-pirenena amin’izao CAN 2019 izao. Namaly ny antson’ny CDN ny orinasa ny Orange Madagascar, ny STAR, ny ligy Haute Matsiatra, ny “assurance Aro”,  ny Holcim, ny JB, ny banky BOA… ary hanao izay ho hafany amin’ny fanampiana ny Barea. Manoloana izany, natsangana ny “basket fund” natao hanangonana ny vola rehetra hanomanana sy hiatrehan’ny ekipam-pirenena ny CAN 2019. Ny CDN no hitantanana izany. Raha ny fanazavan-dRamatoa Attalah Béatrice dia vola mitentina 1.654.375 dolara ny tetibola ilaina amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity CAN 2019 ity ary tsy ao anatin’io ny “primes”. Ny CAF sy ny FIFA no hamatsy 30 % amin’io vola io. Ny 25 % kosa no handrasana  avy amin’ny fitondram-panjakana. Marihina fa higadona eto an-tanindrazana ny 9 jona amin’ny 3 ora maraina ny mpilalaon’ny Barea, hanatanteraka ny lalao fanomanana atao eny Mahamasina.

Lynda A.