CNPE: Ny fampiharana ny lalana ihany no isorohana ny fitrandrahana antsokosoko.

Mandeha ila ny  asa ataon’ireo fiarahamonim-pirenena misahana  ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny lalana tsy ampiharina sy ny tsy fandraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra no tena mahatonga izany. Hany ka mirongatra hatrany ny fitrandrahana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Manoloana izany, nivondrona ao anatin’ny vovona iray ireo fikambanana miisa 34 miantsehatra amin’ny resaka tontolo iainana ka niforona ny CNPE na “Coalition Nationale de Plaidoyer  Environnemental”. Ny ady sisika na “Plaidoyer” no tena iantsorohan’izy ity, araka ny  fanazavan’ny Mpandrindra rejionaly,  Nalimanitra RAVOSON.

Vao haingana no nitsangana ny CNPE. Mba hanamafisana ny fahaiza-manao an’ireo mpikambana ao aminy dia nanatontosa atrika asa lehibe izy ireo ny herinandro lasa teo. Nandritra ny dimy andro ny faharetan’izany ka nivoitra tao ny drafitra asa ho entina iatrehana  ny andraikitry ny vovona.