CNAPS: Mitaky ny fanendrena faran’izay haingana ny Tale Jeneraly ireo mpampiasa sy mpiasa mpandoa latsakemboka

 Iankinan’ny fiainan’ny mpiasa – mpandoa latsakemboka ny fanendrena Tale Jeneraly (DG) vaovao an’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNAPS), araka fanambaran’ny solontenan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ary ny Confédération des Travailleurs de Madagascar (CTM). Nitondra fanazavana ny antony hanendrena maika ny DG ny mpiaramiombon’antoka amin’ny CNAPS (GEM, FIVMPAMA, GEFP, SIM) ary ny CTM ny zoma 14 jolay 2023 teny Ambohijatovo. Nambaran’i Marimbeloson William, mpandrindra ny CTM fa  miahiahy ny raharaha eo anivon’ny CNAPS izy ireo. «Tsy miodina ny CNAPS noho ny fihanahanan’ny fanjakana amin’ny fanendrena ny Tale Jeneraly. Ny Tale Jeneraly no manana fahefana mampiodina rafitra iray manontolo, mibaiko ny fampidirambola sy famoaham-bola», hoy izy. Mitaky ny hisokafan’ny biraon’ ny CNAPS manerana ny Nosy ihany koa izy ireo satria ny mpiasa sy mpampiasa no mandoa latsakemboka ao kanefa lasa sahirana ireo mpandray fisotroan-dronono, mpandray volan-jaza sy mpikarakara taratasy no fijanonan’ny fampandehanandraha. Araka ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy, ny filankevimpitantanana no manolotra olona ho Tale Jeneraly ary ny fanjakana, amin’ny filankevitry ny ministra kosa no misafidy izay tokony handray izany  toerana izany. « Miandry ny fanendrena  DG vaovao vao miala ireo restrictions budgétaires rehetra », hoy i  Randianasolo José, Filohan’ny ny filankevimpitantanan’ny CNAPS. Manamafy ny fangatahany ihany koa ny  solontenan’ny mpampiasa sy ny mpiasa ny hiverenan’ny faran’izay haingana ny fampanandehanan-draharaha ho fametrahana  ny mpisitraka ho laharampamehana sy ho fitohizan’ny mangaharaha, fitantanana mirindra. Nivoitra nandritra valan-dresaka nataon’izy ireo fa very 1 miliara Ariary isan’andro ny CNAPS vokatry ny fikatonan’ny birao noho ny grevy ataon’ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny CNAPS.

Lynda A.