Clinique Fidy: Zaza 300 nahazo famorana maimaim-poana.

 

Dr Fidy BARINIAINA

Hetsika fanaon’ny  » clinique Fidy » eny amin’ny firaisana fahadimy ny fanaovana didim-poitra maimaim-poana an’ireo zaza eny an-toerana. « Hitsinjovana ireo ray aman-dreny sahirana no antony ny hetsika », hoy ny Dr Fidy BARINIAINA. Fomba Malagasy sy ara-pahasalama ny famorana ka tokony ho tanterahina, hoy hatrany izy. Nanomboka ny talata teo ny hetsika ary hifarana ny zoma 15 Mey 2015. Ankizy 300 no nahazo tombontsoa amin’izany. Miara-miasa amin’ny « croix rouge » Malagasy ity toeram-pitsaboina ity amin’ny fanatontosana izao famorana izao. Ankoatra izany, manohana ny hetsika ihany koa ny fikambanana FAFI V izay tarihin’i Naivi Raholdina ka nanolotra fanomezana ho an’ny ray aman-dreny toy ny savony manitra, vary ary kilalao, sokola, bisky ho an’ny ankizy noforana izy ireo.

Marihina fa isan-taona izy ireo no manao izao asa soa izao ary didipoatra amin’ ny fomba amerikana no nanaovana ny hasoavana ireo ankizy izay mampalaza ity toeram-pitsaboana ity.

Lynda A.