Boriboritany faha efatra: Tsy zarizary ny foto-drafitrasa.

Mahavelon-taraina ny vahoaka eny amin’ny boriboritany faha efatra ny tsy fisian’ny foto-drafitrasa fampandrosoana ary raha misy aza dia tsy zarizary sy tsy mifanaraka amin’ny filan’ny mponina.

Tonga nitsidika iny faritra iny ny mpandraharaha, Harilala Ramanantsoa ny zoma lasa teo. Nitafa tamin’ireo mponina mipetraka eny Anosibe Angarangarana, Anosibe tsena, Ambohiparaky, Ouest Mananjara, Madera Namontana,…. Ny toerana fanasan-damba, ny lalana sy ny lalan-kely, fanariam-pako, rano fisotro madio, tsena,… no takiany sy andrandrain’izy ireo.

Misedra olana tanteraka ny mponina eny amin’ ireo toerana ireo. Maro ireo tsy an’asa, ka velon-taraina. Nilaza ny hetahetany tamin’i Harilala Ramanantsoa izy ireo nandritra ny dinika natao. Tafiditra tao anatin’izany famoronana asa. Miandrandra fampandrosoana ny vahoaka Malagasy ary mila olona vonona hamaly faniriany. Mitaky fiaraha-miasa eo amin’ny mpitondra mahefa sy vahoaka anefa izany.

Lynda A.