BORIBORINTANY FAHA-6: EPP maro no mila fanarenana.

Tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny fampianarana eny amin’ny EPP ny fanamboarana ny fotodrafitrasa asa. Anisany nisitraka izany ny EPP Antanimena II sy Antohamadinika III G Hangar vokatry ny fanampian’ny fikambanana Secours Islamique France (SIF). Maniry ny hitaran’ny tetikasa manerana ny boriborintany fahaenina  ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambohimanarina, RAHERISOA Vololona Victorine. “17 ny isan’ny EPP ao amin’ny boriborintany misy ahy ary mila fanarenana avokoa izany”.

Mila tohanana ny sehatry ny fanabeazana. “Tsy vitan’ny fitondram-panjakana irery izany fa ilaina ihany koa ny fiarahamiasa amin’ireo malala-tanana”, hoy izy.  Nambarany fa hiezaka  ny Solombavambahoaka handany ny lalana momban’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ho fanampiana tosika ny fampianarana sy ho fampidirana ireo zaza an-tsekoly.