BOKY HO AN’NY ANKIZY : Manampy ny ankizy hitia sy hikolo ny vatany ary hankafy fiainana ny boky nosoratan’ i Anja Adriana

Namoaka boky  famaky miisa roa indray i Anja Adriana. “Mon corps et moi” ny voalohany.  Mampianatra ny ankizy  hitia sy hahay hikolo ny tenany  ity sangan’asa ity.  Voaresaka ao anatiny ny fikarakarana ny vatana, ny maha sarobidy azy fa indrindra ny resaka fahasalamana sy sakafo. Hafatra mafonja tian’ny mpanoratra ampitaina       ao anatin’ny  boky ihany koa ny fanekena  ny fahasamihafana , ialàna amin’ny fanavakavahan ara-batana.  “Dans le coeur de Aro” ny boky faharoa. Miresaka ny  tantaran’i Aro, ny sarobidy  ao am-pony  indray izy ity. “Manentana ny ankizy  hahay hankasitraka ny zavatra kely mahafinaritra isan’andro , hankafy fiainana ny boky. Mitanisa ny sarobidy ao am-pony i Aro, ny zavatra tiany. Mampahafantatra ny ankizy   fa tokony ny mahafinaritra isan’andro no atao anaty fo. Manampy azy ireo handrindra ny fihetseham-po  ihany koa ny boky. Raha misy zavatra ratsy tady haka toerana ao amin’ny fo dia aleo ny zavatra tsara no hahazo toerana”, hoy ny mpanoratra manazava ny votoatiny ny boky nosoratany.  Nampahafantarina nandritra ny tsenan’ny noely teny Andraharo, ny 13 desambra 2024, ireto sangan’asa roa ireto.  Natao ho an’ny ankizy  5 ka hatramin’ny  8 taona izy ireo. Sady amin’ny teny gasy no amin’ny frantsay no nanoratana azy. Ny  Editions Mixte” no namoaka azy ary efa azo jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky mahazatra.

Mamaky mba hianatra

Anisan’ireo boky 11 navoaka tamin’ny alalan’ny tetikasa “Ressources éducatives” ny boky nosoratan’i Anja Adriana. Nampahafantarina tamin’ny zoma 13 desambra  2024 avokoa ireo boky ireo. Miompana amin’ny fanamafisana fahaiza-manaon’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny boky sy ahafahan’ny  ankizy, eny amin’ny ambaratonga  fototra sy faharoa amin’ireo firenena afrikana atsimo, misitraka boky ny tetikasa.  “Momba ny famakiam-boky ho entina ampianarana ny tetikasa. Miara-miasa amin’ny rohin’ny boky, na ny mpanoratra na ny mpamoaka  boky, na mpivarotra. Nahazo fiofanana avy amin’ny tetikasa ireo trano mpamoaka boky  namoaka ireto boky 11 ireto. Manamafy ny fahaiza-manao amin’ny famoahana  boky ny tetikasa satria ahafahana mamoaka boky amin’ny endriny vaovao, tsara kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”, hoy i Andrianjaka John, Tomponandraikitra ao amin’ny “Editions Mixtes”. Mahazo fiofanana ihany koa ny mpanoratra mba ho tsara ny kalitaon’ny asa sorany.  Boky famaky, natao ho an’ny ankizy 5 ka hatramin’ny 13 taona ny vokatra andrasana ao anatin’ny tetikasa. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny “Ressources éducatives”  ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fanabeazana, ny siansa, ary ny kolontsaina (UNESCO)  sy ny « Institut français ». Mamatsy vola ny Agence Française de Développement (AFD). Famoahana boky andiany fahatelo no nitranga ny zoma lasa teo. Mbola mitohy amin’ny taona 2025  ny tetikasa.

Lynda A.