Asa tanana Malagasy: Eo am-pamolavolana ny kaody ny minisitera

Manana talenta amin’ny famoronana tokoa ny Malagasy raha eo amin’ny asa tanana no jerena. Maro ihany koa ireo mivelona amin’azy ity. Toa ny vahiny mandalo na mitsidika an’i Madagasikara anefa no tena mpanjifa sy manjifa ny asa tanana vita Malagasy. Tsy mbola mikoriana ao anatin’ny Malagasy ny fitiavana azy ity. « Kolontsaina sy vakoka ho antsika ny asa tanana ka tokony isika aloha no hanome hasina azy », hoy ny Minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka, Brigitte Rasamoelina.

« Hanome hasina ny asa tanana aho » no lohahevitra nampisalorana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny asa tanana eto amintsika. Fanomezana lanja sy hasina ny asa tanana, toy ny sikotra, tenona, rary, zaitra,…. no ivon’ny fankalazana mba hanandratana sy hahatonga ireo mpanao asa tanana ho matihanina, afaka telo volana eo dia ho vita ny kaody mamaritra ny asa tanana Malagasy araka ny nambaran’ny mininsitra nandritra ny lahateniny. Tsy ho ela ihany koa dia hahazo ny karatra ara-dalana ireo mpanao asa tanana manerana ny nosy hahafahana manampy azy ireo amin’ny fampitaovana, fampitaovana na ara-bola izany.

Amin’ny alalan’ny varotra fampirantiana no nanamarihana ny fankalazana teto Antananarivo. Teny amin’ny kianjan’Andohalo no hanatontosaina izany mandritra ny efatra andro. Trano heva miisa 30 ary avy amin’ny faritra 22 no mpandray anjara. Marihina fa asa tanana avokoa no ampirantiana mandritra io efatra andro io izay nanomboka omaly .

Tafiditra indrindra amin’ny fametrahana ny lanjan’ny kolontsaina sy ny tantaran’i Madagasikara ny fanavaozana ny kianjan’Andohalo. Hanomezana fialamboly sy hanatsarana ny tanana ihany koa izany. Fiaraha-miasa niaraka tamin’ny « île de France » sy ny fari-piadidian’ny tanana an’Antananarivo ity tetikasa ity. Ny « Institut des Metiers de la Ville » no misahana izany. Hita eny an-toerana ny trano fampirantiana ireo asa tanana, kianja fampisehoana ary zaridaina mahafinaritra.

Lynda A.