APEBEME: Miantso vonjy ho an’ireo mpianatra Malagasy traboina any ivelany Ny fikambanan’ny ray aman-dreny

Ny mpianatra iantohan’ny fanjakana Malagasy  vatsim-pianarana any ivelany na APEBEME  dia manao antso avo amin’ny fitondrana hijery akaiky ny momban’ireo mpianatra mandranto fianarana any ivelany. Mandalo fahasahiranana be amin’izao fotoana izao ireto farany, hoy ny filohan’ny fikambanana RANDRIANJANAHARY Alexandre, « Mitovy amin’ireny traboina tamin’ny rivo-doza farany teo ireny ireo mpianatra miisa 400  any amin’ny firenena Sina, Frantsa,Canada, Etazonia…. Marary, misakafo tapa-kibo,  tsy manan-trano ipetrahana. Marihina fa efa hatramin’ny taona 2011-2012 nandefasana azy ireo dia 11 volana ihany tamin’ny 44 no vatsimpianarana noefain’ny fanjakana Malagasy. Izay handoavana ny saram-pianarana,  hanaovana « visa de séjour », hanefana ny  » primes d’assurance », ny hofan-trano, ny fampitaovana, ny famatsiana sakafo, …. Manoloana izany, mijaly ireo mpianatra ireo satria tsy ampy ny hoenti-manana ka maro ireo marary,  ary efa nisy maty iray mihitsy aza araka ny fanambaran’ny filohan’ny fikambanana APEBEME Ankoatra izany, voatery mivaro-pananana hanampiana ireo zanany ny ray aman-dreny. Vokatra izany, miangavy ny filoham-pirenena ireto farany  handoa ny trosan’ireo mpianatra fa tsy afaka manohy ny fianarany sy mandray ny diplaomany ry zareo raha tsy voaefa ny trosan’ny Oniversite. Mangataka ny hamenoana ny vatsim-pianarana sy hahazoan’ireo mpianatra trano eny amin’ny Oniversite ihany koa izy ireo. Raha ny fanampi-panazavana hatrany, vola mitentina 485€ ny fandaniana ataona mpianatra iray  na 1.455.000 Ar isam-bolana.

Lynda A.