Antoko KSMD: « Kajikaji-politika no ataon’ireo solombavambahoaka »

Manoloana ny fitoriana mangataka ny ialan’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fitondrana, « efa sangy mihoatra ny loha no ataon’izy ireo », hoy ny fanambaran’ny antoko politika Kandida Solombavambahoaka Miara-dia eto Madagasikara. Araka izany, « Misy kajikaji-politika matoa ireo manao izao ary fikatsahana ny tombontsoa ho an’ny olona vitsy fotsiny izany », hoy ny Filoha Nasionaly ny antoko, Lafatra Rakotovololona. Noho izany, tsy manaiky ny fanonganana an’ny filoham-pirenena ny antoko ary manohana hatramin’ny farany izao fitondrana izao satria lanim-bahoaka. Ankoatra izany,nandritra ny valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny KSMD, nivoitra tamin’izany fa « efa miezaka manao manarina ny repoblika efatra nifanesy i Hery Rajaonarimampianina ». Manda tanteraka ny fanesorana ny filoham-pirenena na mivantana na ankolaka ity antoko politika ity izay ivondronan’ireo kandida solombavam-bahoaka tamin’ny 2013 sy parlemantera teo aloha. Nisongadina tao ihany koa fa miara-miombona amin’ny FFKM, Filohan’ny Repoblika ary ireo filoha teo aloha ny antoko. Manohana ny fehin-kevitra nandritra ny fampihavanam-pirenena teny CCI Ivato. Manainga ny vahoaka ihany koa kSMD mba tsy voafitaka ary tsy hanaiky ataon’ireo solombavambahoaka fitaovana hanakorontanana ny firenena.

 Lynda A.