Andro iraisam-pirenena ho an’ny arisiva: Mifanandrify amin’ny faha-100 taona ny ady lehibe voalohany

Hankalazaina isaky ny 09 jona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny arisiva. Fampirantiana ireo asa vaventy vita tamin’ny ady lehibe voalohany teto Madagasikara no nanamarihana izany teto amintsika. Mandritra ny efatra andro no hanatanterahana izany eny amin’ny arisivam-pirenena Tsaralalana. Nosokafan’ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo niaraka tamin’ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Vakoka izany. Ireo fotodrafitrasa vita tamin’ny taona 1814-1818 nandritra ny ady lehibe voalohany teto Madagasikara no hita ao. « Tokony handalo sy hijery izany ny tanora sy ny ankizy raha te hahafantatra sy hanandratra ny tantaran’ ny tantaran’i Madagasikara, hoy ny Praiminisitra. Efa nisy ny fampandrosoana tamin’izany hoy hatrany izy.

Mirakitra ireo taratasim-panjakana sy ankohonana ny ao amin’ny arisivam-pirenena ankoatra ireo tantaran’i Madagasikara. Azo jerena ao avokoa ireo kopia na taratasin-tany talohan’ny 1830. Tsy ireo tantaran’i Madagasikara ihany no voatahiry ao amin’ny arisivam-pirenena fa misy ihany koa ny karazana boky hafa araka ny nambaran’ i Sahondra Sylvie Andriamihamina, Talen’ny arisiva. Noho ny fivoaran’ny teknolojia, efa an-dalam-piraketana ireo tahiry rehetra ao amin’ny arisiva ny tompon’andraikitra. Hiarovana amin’ny mety ho loza izany.

Lynda A.