AMBOHIKELY AVARATRA: Efa manomboka miasa ny komity Loharano

Fizarana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ny beantitra no nisantaran’ ireo mpikambana ao amin’ny komity Loharano eto Ambohikely Avaratra, fokontany Andranonahoatra ny andraikitr’izy ireo mandritra izao fihibohana izao. Vatsy ho an’ny beantitra miisa 400 no azon’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Atsimondrano ka notsinjaraina tamin’ireo fokontany fito izany. Ho an’ny fokontanin’Andranonahoatra manokana dia vohitra fito no mandrafitra azy ka ao anatin’i Ambohikely Avaratra. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny komity Loharano ao amin’ity vohitra ity dia 22 ny isan’ny beantitra mihoatra ny 70 taona rehefa natao ny fanisana. Sivy tamin’izy ireo no nahazo io fanampiana avy amin’ny fanjakana ho fiatrehana ny fihibohana ny 11 aprily 2020. Samy nomena vary dimy kilao, menaka iray litatra, voamaina (tsiasisa), koba, savony ary sira ny tsirairay.

Lynda A.