AMBATOVY: “Hatramin’izao mbola naaton’ny fanjakana ny fandrotsahana ny tamberimbidy ho an’ireo kaominina mpahazo tombontsoa”

61 miliara Ariary  mahery ny  fitambaran’ny tamberimbidy  narotsakin’ny orinasa #Ambatovy ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (faritra, kaominina) voakasikin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta ho an’ny taona 2012 ka hatramin’ny 2018. 60 % io vola io dia ho an’ny kaominina 20  voakasikin’ny tetikasa, ny 30 % ho an’ny faritra roa (Alaotra Manogoro sy Atsinanana) ary ho an’ny faritan’i Toamasina ny 10 %. Nandidy ny tahirim-bolam-panjakana  ao Toamasina, Ambatondrazaka sy Moramanga ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny toekarena sy ny vola ny taona 2020 hanatsahatra ny fandrotsahana ny tamberimbidy momba ny harena an-kibon’ny tany  ho an’ny ireo sehatra mpisitraka izany  sy ny famoahana izany ho an’ny taona 2020. Raha jerena ny tatitra navoakan’ny #ITIE (Initiative  pour la transparence dans les industries extractives) dia  tombanana hatrany amin’ny 15 miliara Ariary no voangeja  ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana, araka ny fanazavan’ny fiaraisamonim-pirenena  momba ny fitrandrana harena an-kibon’ny tany (Oscie) ny 22 jolay 2022. Raha ny loharanombaovao dia ahiahy amin’ny fanodikodinam-bolam-panjakana no antony fampitsaharana. Nambaran’ny Sekretera mpanatanterakin’ny Oscie, Rabenandrasana Clément ny volana jolay 2022 fa tsy tokony ny kaominina no voasazy fa izay nanodikodim-bola. Nilaza ny teo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny vola fa efa nalefa anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ny fangatahana  famerenana ny fandrotsahana ny  ireo tamberimbidy  narotsakin’ny Ambatovy. Efa hifarana ny taona 2022, mbola miato hatrany izany.  Ho an’Ambatovy manokana dia manana tetikasa antsoina hoe “Tsara Tantana” ny orinasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra  amin’ny  fitantanana ireo tamberimbidy eny anivon’ny kaominina.

Lynda A.