AMADIA: “Toe-tena ho entina mandra-pahafaty ny diabeta”.

 Ny firotorotoana amin’ny fiainana, ny tsy fihinana sakafo ara-pahasalamana, tsy fanaovana fanatanjahantena no tena mahatonga ny diabeta. Aretina sarotra sitranina  kanefa azo atao tsara ny mitsabo  na mifehy azy tsy hihombo ka hanimba ny taova rehetra. Miteraka fahajambana, faharerahan’ny voa, fivontosan’ny tongotra ary mety hiafara amin’ny fanapahana azy mihitsy raha tsy voatsabo haingana ity toe-tena ity. Mivalan-drano lava, mangetaheta lava, misakafo betsaka kanefa mihamahia, rera-dava no fambara fa tratran’ny diabeta ny olona iray, araka ny fanazavan’i Dr Haja RAMAMONJISOA, Directeur des operations AMADIA.

Miezaka manampy ireo voan’ny diabeta tsy ho tonga amin’izany dingana izany anefa ny fikambanana AMADIA na Andia Malagasy  Miady amin’ny Diabeta. Mampianatra sy manoro azy ireo hahay hisakafo, ampiasa vatana, hanaraka ny toromarika omen’ny mpitsabo manoloana ny fihinana fanafody sy ny fitsaboana, hilamin-tsaina no tena andraikitry raisin’ny fikambanana. Miisa 31.000 eo izao  mpikambana ao aminy ka ny 125 amin’izy ireo dia voan’ny diabeta, araka ny fanazavan’i Dr Jose Tiana RATSITRATRINIHAFA.

Manana toeram-pitsaboana ity fikambanana ity. Eny Faravohitra no misy azy. Nomarihany fa anisan’ny manaraka ny lamina maneran-tany ny fomba fitsaboana ao aminy.

Ny sabotsy teo no nanatontosa ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny diabeta  tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana. Teny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely no nanaovana izany ary nisy ny fitiliana maimaim-poana  momban’ny diabeta, maso, VIH/SIDA, sy fijerena “tension” nandritra ny tontolo andro.

“Toe-tena ho entina mandra-pahafaty ny diabeta fa ny fisorohana ny voka-dratsiny no azo atao tsara”, hoy hatrany Dr Jose.  Mety ho tratrany avokoa ny olona rehetra ka tokony hanao fitiliana. Raha to aka mbola tsy voany dia ny  fahaizana misakafo, fanaovana fanatanjahan-tena no fomba hiadina aminy.Lynda A.