ALLIANCE POUR LE DEVELOPPEMENT DURABLE: Mamolavola tanora hiasa mahaleo tena.

Mijoro hanampy ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra no antom-pisian’ny  fiarahamonim-pirenena « Alliance pour le Développement Durable » na A2D. Efa herintaona no nisiany ka tanora 200 mahery no efa nisitraka fampiofanana arak’asa teo amin’ny sehatry ny asa tanana, fambolena, fiompiana.

« Ny fananana asa mahaleotena  no tanjon’ny A2D amin’ny fanomezana tosika ireo tanora”, hoy i Vicky Vololoniaina SOLOFOMAHATRATRA, Sekretera  Jeneralin’ny fiarahamonim-pirenena.

Ankoatra ny fanomezana fampiofanana, manampy ireo mpiantsehatra  manodina landy ihany koa ny A2D.