AIFM MADAGASIKARA: Nosafidiana manokana ny Hopitaly Mahitsy

Fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny COVID-19. Tontosa ny 26 mey 2020 ny fanolorana ny “kit sanitaire” ho an’ny fianakaviamben’ny mpitsabo sy ireo mpiara-miasa aminy, eny amin’ny hopitaly Mahitsy. Avy amin’ny fikambanam-behivavy AIFM (Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar) eto Madagasikara sy fanohanana avy amin’ny AIFM Frantsa ireto fitaovana ireto: blouse, arotava, “gel main disinfectant”, “solution liquide désinfectante”ary famafana tanana. Araka ny fanazavan’ny Médecin Chef ao amin’ny hopitaly Mahitsy, Dr Lucie Ranaivoarisoa fa “fitaovana entina hiarovana amin’ny coronavirus izy ireto ary tena ilain’ny hopitaly satria mitsabo ny marary izahay ary zava-dehibe ho fiarovana ny dokotera mba tsy ho tratry ny aretina”.

Nambaran’ny filohan’ny AIFM Madagasikara, Rasendralalao Hantanoro fa fotoana tsy maintsy hetsehan’ny olom-pirenena, ny fikambanana indrindra ny fikambanam-behivavy izao fahasahiranana ara-pahasalamana, mitarika fahasahiranana ara-tsosialy izao”. Nosafidiana manokana ny hopitaly Mahitsy ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo noho izy lavitry ny tanan-dehibe. Mbola tsy mandray mararin’ny COVID-19 ity hopitaly ity ary “irariana mba tsy hisy izany fa isika manana toe-tsaina, mitsinjo ny vodiandro merika. Sahirana ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy dia aleo any amin’ny toerana lavitra ny renivohitra no ampiana mba ho entin-dry zareo miatrika sahady  ny valanaretina ”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana.

Raha ny tantara dia Ramatoa Ranaivo Francine no namorona ny fikambanana AIFM.  “Tamin’ny taona 1991 nahatsapa izy fa misy zavatra tokony hifanampiana  eo amin’ny vehivavy gasy indrindra ireo any Frantsa manana olana sedraina.  Ny 1993 nankaty Madagasikara izy ary nahita ny fahasahiranan’ ireo ankizy sy ny vehivavy noho ny fahantrana. Tanjony dia  na inona na inona izay ho ataoko dia hifampizarako amin’ny mpiara-belona amiko”, hoy ny fanazavan’i Andrianasolo Hajaina, filoham-boninahitry ny AIFM sady anisany mpanorina ny fikambanana. Miompana amin’ny  fanasoavana ny mpiara-belona, ny fifampizarana traikefa eo amin’ny samy mpikambana, ny kolontsaina sy ny fanabeazana ny asa ataon’ity fikambanam-behivavy ity.

Lynda A.