AIFM MADAGASIKARA : Nizara hafaliana tamin’ireo fianakaviana sahirana sy beantitra teny amin’ny fokontany Ankazomanga

« Zava-dehibe izao fanampiana izao satria afaka miatrika  ny fetin’ny noely am-pifaliana izahay », hoy ramatoa Bernadette avy ao amin’ny fokontany Ankazomanga. Anisan’ireo fianakaviana sahirana nahazo vatsy avy amin’ny fikambanam-behivavy AIFM (Alliance International des Femmes de France et Madagascar) noho ny fetin’ny noely izy. Beantitra sy fianakaviana sahirana 80 no nozarain’ny AIFM Madagasikara vary, tsaramaso, siramamy, labozia, vatomamy ary akanjo ny 23 desambra 2022.  » Isakin’ny fetin’ny noely  dia mizara fanomezana ho an’ny olona sahirana izahay ho firasaim-po amin’izy ireo », hoy i Andriamamonjy Stella, Sekretera Jeneralin’ny fikambanana. Nambarany fa anjara biriky nentin’ny mpikambana sy fanampiana avy amin’ny AIFM Frantsa  no nahafahana nanao izao asa sosialy ho an’ny noely 2022 izao.  » Misaotra betsaka fa tsy nanadino ireo olona sahirana  ianareo. Mankasitraka indrindra fa nitondra hafaliana ho azy ireo », hoy i Ranaivoson Jean François, Sefo fokontany Ankazomanga, nitondra teny fisaorana ho an’ny fikambanana. Raha ny tantara dia Ramatoa Ranaivo Francine no namorona AIFM. Mipetraka any Frantsa izy amin’izao fotoana izao. Fanampiana ireo vehivavy Malagasy miasa any Frantsa no tanjon’ny fikambanana tany am-piandohana. Noho fahitany ny fahasahiranana eto Madagasikara  sy ho fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana dia nanangana ny ratsa-mangaikan’ny AIFM eto Madagasikara ny tenany. Ramatoa Rasendralalao Hantanoro no Filoha am-perin’asa. Ho an’ny taona 2022, maro ireo hetsika ara-sosialy nataon’ny AIFM raha tsy hilaza afa-tsy fizarana vatsy ho an’ireo zaza beazina eny amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo sy Bevalala.

Lynda A.