AIFM MADAGASIKARA : Nitondra vatsy ara-panahy sy ara-pitaovana ho an’ireo ankizivavy taizana eny amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo

Tsy alahelo na fitserana no andrandrain’ireo ankizy. Teny amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo no nosafidian’ny fikambanam-behivavy AIFM (Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar) eto Madagasikara nanaovana asa sosialy ho fanamarihana  ny fetim-pirenena malagasy 2021. Fanindroany  amin’ity ny fikambanana no nitondra fanampiana ho an’ny akany. Ireo ankizivavy 7 taona ka hatramin’ny 19 taona niharan’ny herisetra ara-nofo no taizaina ao. Niaraka tamin’ny Mpitandrina Rado sy dokotera Niaina ny mpikambana tao amin’ny AFIM Madagasikara nitondra teny fampaherezana  ara-tsaina sy ara-panahy ho azy ireo ny 23 jona 2021. Nisy ihany koa ny kilalaon-tsaina tamin’ny alalan’ny ankamantatra sy fanohizana ohabolana nataon’ny AIFM. Ho fanampin’izany dia nivimbina izay voatsirambin’ny tanana  toy ny fihogo, famatoram-bolo, mena-bolo, lokomolotra, fitaratra kely, famehezam-bolo (pince) ho an’ireo ankizivavy miisa 91  ny fikambanana. “Kilalao mamirapiratra ho an’ireo tena ankizikely sy ireo zazakely zanaky ry zareo. Marihina fa miisa 5 ny zazakely, zanak’ireo ankizy ireo ary 1 ny bevohoka izay 13 taona izy”, hoy ny filoham-boninahitry ny AIFM eto Madagasikara, Andrianasolo Hajaina. Namaranana ny fotoana ny fiarahana nihinana mofo ampy nizara ho an’ny rehetra, hatramin’ny mpandraharaha mpiandraikitra azy ireo. “Tsy alahelo na fitserana no andrandrain’ireo ankizy fa fanohanana azy amin’ny lafiny rehetra”, hoy izy.

Lynda A.