ADY TANY ENY ANTANANDRANO AMBOHITRARAHABA: Manao antso avo ny filohan’ny Repoblika ny tompon-tany.

Mbola mitohy indray ny raharaha adin-tany eo amin’ny orinasa Telma sy ny mpandova ny tany eny Antanandrano Ambohitrarahaba, Kaominina Ankadikely Ilafy. Efa nandritra ny telo ambin’ny folo taona no niadiana ity tany mirefy 30ha eny Avarandrano, araka ny fanazavan’ireo mpandova RAZAFITSARA,  RAKRISMASY, RAZAIARIVONY ary RAZAFIMAHEFA. Nivoaka mpandresy ireo mpandova ireo tamin’ny 14 desambra 2012 tamin’ny alalan’ny fivoahan’ny didim-panjakana ary namoaka « titre » ho azy ireo ny sampandraharan’ny fananan-tany. Nanomboka tamin’ny volana Okotbra ka hatramin’ny Desambra 2014 teo anefa dia tsy nanaiky ny orinasa Telma ka nampiditra « requête » indray. Nangataka « ex-propriation »ny orinasa Telma. Tsy afaka manao izany fangatahana izany anefa ity orinasa ity satria tsy miankina na dia misy anjaran’ny fanjakana aza ao amin’ny orinasa. Taorian’izany anefa dia nandresy ny Telma.Tsy nanaiky ihany koa ny tompn-tany izay efa manana « titre » dia nampiakatra raharaha teny anivon’ny minisitera misahana ny tetikasan’ny fiadidiana ny repoblika, ny fanajariana ny tany, ary ny fampitaovana Atoa Rivo RAKOTOVAO . Namoaka taratasy manamarina fa ny maha-tompony sy manome rariny an’ireo  manana « titre » ny ministra.

Nivadika ny rasa raha nalefa tany amin’ny fiadidian’ny primatiora io tatitra io satria lasa ny orinasa Telma indray no nahazo rariny tany amin’ny Praiminisitra teo aloha KOLO Roger.

Misavorovoro tanteraka amin’zao fotoana izao ny sain’ny tompon-tany manoloana izany ka manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena izy ireo hijery akaiky sy hamaha ny olana haingana. Nambaran’ireo  mpandova  ihany koa fa matoa ny fitsara avo no nanome azy ireo ny fandresena dia rariny izany koa nahoana no lasa ny fanapahakevim-panjakana indray no noraisina? Noho izany, mangataka ny Filoha Hery RAJAONARIMPIANINA izy ireo mba hiaro ny zon’izy ireo.

Lynda A.