666, efa eto fa tsy fantatry ny Malagasy

Ady hevitra eo amin’ny mpivavaka, eny anivon’ny fiaraha-monina eny ny momba ny 666 na ny bibidia .

Efa nandray ny marika 666 ny Malagasy fa tsy fantany” hoy Rovatiana Abel. Nambarany fa noho izany tsy fahafantaran’ny Malagasy ny efa nandraisany ny mariky ny bibidia izany no hanaovany fandaharana ao amin’ny radio tsy miankina iray ao Antananarivo. Nolazainy fa efa tamin’ny andron’i Radama no tonga teto amin’ny firenena io marika io.

Nolazain’ity mpiandraikitra ny fivavahana “Mpiara-mikatsaka ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay” ity fa ny tanjona ho azy ireo dia ny fampahafantarana ny fisian’io marika io. “Rehefa mahafantatra ny fisian’io marika io ny Malagasy dia ho afaka ho azy izy” hoy ity mpitondra fiangonana zandriny ity. Nohizingizininy fa ny fiangonana avy any Roma sy ireo nisintaka tamin’izany na Fiangonana zandriny na inona fiantsoana azy dia misy io marika io avokoa ary fiangonana diso izy ireny. Soritana fa misy ireo pasitera na pasitora amin’ireny ambara fa Fiangonana zandriny na sekta ireny izay tsy manaiky izany filazana  izany.

Ho an’ity mpitarika fivavahana ity ny Malagasy dia Hebreo. “Tsy izay rehetra mitonona ho hebreo dia hebreo avokoa fa mila mahay manavaka ny tena Hebreo isika” hoy izy.

Raha noheverina fa efa nangina tanteraka io resaka 666 io dia tsikaritra araka izany fa mbola misy mivoy azy hatrany.